Raharaha fitoriana an’dramatoa Lalatiana Rakotondrazafy
Ny alakamisy lasa teo, nametraka fitoriana an’dramatoa Lalatiana Rakotondrazafy I Andry Andriatongarivo izay mbola voatazona any am-pona amin’izao.
Mitory an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy ny namany ho manao « fikambanan-jiolahy », “fikasana hamono olona”, ary koa manao “fihetsika tsy mendrika” natao tamin’ny zaza izy.
Tafapetraka any amin’ny « Doyen des juges d’instruction » tamin’ny Alakamisy io fitoriana io, mitondra ny laharana 019/1PC/24/J13, tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy.
