Dépêches

Anjozorobe: Tratra ireo olon-dratsy mpaka an-keriny

02 Oktobra, Nahomby ny tolona; tao aorinan’ilay hetsika manokana nataon’ny vondron-tombim-paritry ny zandary Imerina Central ny amin’ny hamongorana sy hikarohana ny mpanao ratsy. Ny zoma hifoha ny asabotsy lasa teo no nanantanterahana izany. Olona telo tamin’ireo olon-dratsy no matin’ny zandary vokatry ny fifandonana ary olon-dratsy maromaro no efa voasambotra. Izany moa dia nontanterahana nanomboka ny 25 septambra lasa teo ary mbola mitohy hatramin’izao. Distrikan’Anjozorobe: isan’ireo faritra nahitana tranga fakana an-keriny nisesisesy tato ho ato. Marihina moa fa tao anatin’io fifandoanana io dia nahitana basy sy fitaovampiadiana ireo olon-dratsy; teo ihany koa ny ody gasy izay fampiasan’izy ireo rehefa hanao ny asa ratsiny. Hoy hatrany ireo zandary.

Laisser un commentaire