Ambohijanaka: nitrangana fanafihana mitam-pihadiana
03 Oktobra, Nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny tranom-barotra iray teny Ambohijanaka omaly alatsinainy 02 octobra. Tafaporitsaka ireo voatafika ka nanao antso avo tamin’ireo zandary tao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy. Tonga ireto farany afaka fotoana fohy. Tsikaritr’ireo jiolahy ny fahatongavan’ireto mpitandro filaminana ka tafatsoaka araka izany izy ireo. Tsy nisy ny naratra, tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy zavatra lasan’ireo jiolahy.
