Fiaraha-miasa : Feno 50 taona ny fifandraisan’i Chine sy i Madagasikara
Dépêche 11 novembre, 14h, Hankalazaina amin’ity taona ity ny faha 50 taonan’ny fifandraisan’ny Chine sy i Madagasikara. Ho fanakalazana izany fotoana ela be efa niarahana niasa izany dia nanatanteraka fifaninanana milohateny hoe “omaly sy ny ampitson’ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Sina izay tonga eo amin’ny 50 taona nisiany” ny roa tonta. Fifaninanana hahafahana mampiseho ny karazana fifandraisana nisy teo amin’ny roa tonta andnritra izay fotoana izay izany. Niisa 40 ireo mpandray anjara ka 3 tamin’ireo no nibata ny amboara raha mpanao gazety no roa tamin’izany. Hanamafisana ny fiarahamiasa sy ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta no tanjona amin’izany.
