ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana momba ny fiompiana

Ny alarobia 9 Novambra teo no nanatontosana ny fampiofanana momba ny akoho mpanatody lava, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, izay niarahana niasa tamin’ny »Centre de Formation Agricole Aïna, Enfance et Avenir » Antanandrano. Tahaka ireo fampiofanana efa nandeha teo aloha, nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fampiofanana.

“Fampiofanana momba ny fiompiana akoho mpanatody lava nohatsaraina no natrehena’ireo mpiofana. Tamin’ny ankapobeany, afa-po ireo ireo mpiofana ary nahazo ny fahalalana arak’izay nandrasany” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

“Izao fampiofanana izao moa no natao dia ho fitadiavana lalam-pihariana mahomby sy ho fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpiompy eto amin’ny kaominina. Izao hetsika izao ihany koa dia tafiditra indrindra amin’ny vinan’asa fahadimin’ny ben’ny tanàna, amin’ny fampiroboroboana ny seha-pambolena sy fiompiana” hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Ny alarobia 23 Novambra izao indray no hisy fampiofanana manaraka ao an-toerana. Fiompiana kisoa hatavezina na hampiterahana indray no hampiofanana mandritra izany. Marihina moa fa maimaim-poana hatrany ny fiofanana amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire