Anjeva : Nifampiresaka ny avy ao amin’ny kaominina sy ny mpitatitra
Nangataka ny hampiakarana ny saran-dalana ho 2 800 Ar ny mpitatitra tao Anjeva. Nisy ny fifampiresahana teo aminy sy ny kaominina, nijerena ny marimaritra iraisaina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika.
« Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny kaominina sy ny mpitatitra. Noraiketina ho 1800 Ar ny saran-dalana eo Anjeva hatrany Mahazo raha toaka 2000 Ar i Anjeva makany Ambohijatovo. Tsy misy miova ny bokin’andraikitra fa ny saram-pijanonana eo amin’ny fiantsonana no nofohanana ho 0Ar mba ho fitsinjovana ny mpitatitra taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika » hoy ny ben’ny Tanàna ao Anjeva, Raoeliarison Haja Yves. « Tsy mifamono akory isika fa mifamelona. Tsy azo hidovirana ny fiakaran’ny saran-dalana fa tsy maintsy jerena izay tsy mahavoa mafy ny rehetra » hoy hatrany izy.
Tsiahivina fa 44, 11% ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Saika voakasik’io fiakarana io kosa ny fitaterana rehetra manodidina an’andrenivohitra.
Nicole Rafalimananjara
