Analavory: Jiolahy iray namoy ny ainy
20 oktobra; jiolahy iray nangalatra vola 1 hetsy sy akanga roa no namoy ny ainy tany Analavory omaly. Azo sambo-belona ity jiolahy ity fa nitsaoka rehefa akaiky ny tombin’ny zandary. Nifanenjehina ilay jiolahy; voatifitra ny tongony. Be loatra ny rà very taminy izay nitarika ny fahafatesany.
