Fampianarana: Hametrahana ivontoeram-pianarana informatika maimaim-poana eto Madagasikara
Ivontoeram-pampianarana informatika mizara amin’ny sehatra isan-karaazany vaovao maimaim-poana no ho sitrahin’ny Malagasy. Avy amin’ny fiaraha-miasan’ny vondrona Axiana sy ny 42 Antananarivo no hahafahana nampiditra ity ivontoram-pampiofanana ity. Eny amin’ny Galaxy Andraharo no hametrahana izany foto-drafitr’asa izany.
“Afaka mianatra ao avokoa ny olona rehetra izay feno 18 taona. Tsy hanavahana na lahy na vavy ary tsy hitakiana diplaoma ny fianarana. Afaka misafidy izay sehatra tiany hianarana ireo mpianatra. Ao ny big data, ny intelligence artificielle ary ny cybersécurité. Mila mahay miara-miasa amin’ny vondrona sy manana motivation ambony be ihany koa raha te hiditra. Marihina fa maimaim-poana ny fampianarana”, hoy ny avy ao amin’ny Axian.
“Hanomboka ny taona 2024 ny fianarana ho an’ireo andiany voalohany izay hiisa eo amin’ny 150 eo no horaisina. An-jotra ny fifaninanana hidirana izay efa naparitaka. Ankoatra izany dia tsy maintsy hisy ihany koa ny fanadinana ara-panatanjahantena hahafahana mamaritra ny fahazotoan’ireo mpianatra ireo. Araka izany di any taranja lomano no ho tanterahina ny 3 volana farany amin’ity taona ity sy ny herinandro voalohany amin’ny taona 2024”, hoy hatrany ny fanazavana.
Toy ny any amin’ny firenen-kafa dia maimaim-poana ny fianarana izay entin’ny “Ecole 42”. Marihina moa fa ny sekoly informatique tohanan’ny “42” dia efa hita manerana ny firenena miisa 27 maneran-tany. Fanararaotra ho an’ny Malagasy araka izany ny fahazoana ity ivontoerana ity.
Miora Raharisolo
