Turquie : Tontosa ny sabotsy teo ny fianianan’i Recep Tayyip Erdogan
Voafidy filohan’i Turquie teo amin’ny fiodinana faharoa indray i Recep Tayyip Erdogan ny 28 may teo. Nahazo ny 52% ny vato izy. Raha tsiahivina dia efa nitondra 20 taona tao Turquie i Recep Tayyip Erdogan talohan’izao dimy taona manaraka izao indray. Notontosaina ny sabotsy teo anoloan’ny parlemanta tao Ankara kosa ny fianianany.
Nilaza izy nandritra izany fa mila mitady marimaritra iraisana hampanjakana ny filaminana izy ireo sy ny mpanohitra. Nanamafy ny tenany fa ahay hitondra tena ny mpanohitra manoloana ny fahalaniany ary ahay hitsinjo ny vahoaka sy hanaja ny demokrasia. Marihana fa ny ankahamaroan’ny mpikamban’ny parlemanta ao an-toerana dia mpomba azy avokoa.
