Etats-Unis : Voasamboatra ny lehilahy namono ireo zatovo efatra tao Idaho
Raha tsiahivina dia zatovo 6 niray trano manodidina ny « campus » ny oniversiten’i Idaho ao Etats-Unis no nisy nanafika ka hita voatsatok’antsy tao an-trano ny 4 tamin’izy ireo. Ny volana desambra 2022 teo no niseho ny tranga ary rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe Bryan Kohberger no namono ireo tanora ireo.
28 taona io lehilahy nahavanon-doza io, nonina tao Pullman izy ary « docteur en criminologie et droit pénal » ao amin’ny oniveristen’i Washington. Efa nianatra sy nampianatra mpanampy tao an-toerana ihany koa ny tenany. Ny angon-drakitra tao amin’ny findain’i Bryan Kohberger kosa dia namaritra fa efa nandritra ny fotoana nahariotra izy no nanara-maso ireo tanora tao Idaho ireo. Tsy nanome fanazavana ny antony namonoan’io lehilahy io ireo zatovo ireo kosa ny tompon’andraikitra.
