ActualitésTatitra

Australie : Mpitsabo zaza iray no voasambotra noho ny herisetra ara-nofo tamin’ny zaza an-jatony

« Puériculteur » iray teo aloha, 45 taona no voasambotra ny 1 aogositra teo noho ny fiampangana azy nanao ny herisetra ara-nofo tamin’ny zaza an-jatony. Voasokajy ho isan’ny raharaha fanararaotana zaza tsy ampy taona mampihoron-koditra indrindra ao amin’ny firenena izany raha ny tatitry ny manam-pahefana.

Raha ny fanazavana kosa dia ankizivavy « prépubères » nitsinjara tamin’ny toerana mpiambina zaza am-polony no niharan’izany herisetra ara-nofo izany. Teo anelanelan’ny taona 2007 sy 2022 no niseho ny tranga ary tao anatin’izany dia trangam-panolanana 136 sy firaisana ara-nofo tamin’ny zaza latsaky ny 10 taona 110 isa no nataon’io lehilahy io. Marihina fa tamin’ny alalan’ny « site pédopornographique » iray no nahafahana namantatra io nahavanon-doza io.

Avy ao Australie ny ankahamaroan’ny ankizy niaran’ny herisetra ara-nofo nataon’io lehilahy io saingy fantatra fa teo anelanelan’ny taona 2013 sy 2014 izay niasany tany amin’ny firenen-kafa dia ankizy 4 ihany koa no sedran’izany.

Laisser un commentaire