ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Ao anatin’ny iray volan’ny hetra ny kaominina

Ao anatin’ny iray volan’ny hetra ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Efa nanomboka ny 31 jolay teo ny fanentanana ny mponina isam-pokontany ny mahakasika ny mahazava-dehibe ny tokony hanatanterahana izany.

“Ao anatin’ny hetsika iray volan’ny hetran’Ambohimanambola tanteraka ny kaominina. Misy ny guichet mobile isam-bohitra arahin’ireo mpanentana hetra handalo isan-tokantrano hitondra fanazavana misimisy kokoa ho an’ny rehetra. Raha misy kosa ny  fanamarihana, fitarainana na sosokevitra dia raisin’ireo mpanentana avokoa izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Mbola maro amin’ny olom-pirenena no tsy mahafantatra ny mahazava-dehibe ny fandoavana hetra. Izany indrindra no ilàna fanentanana sy fampahafantarana mba hamporisihana ny olona satria miainga amin’ny fandoavana sy fanefana ny hetra ny fampandrosoana eny ifotony” hoy i Santatra, mpanentana eny amin’ny kaominina.

Ankoatra ny fanentanana amin’ny fandoavana ny hetra, dia ilaina ary zava-dehibe ihany koa ny fanaovana tatitra sy ny fametrahana ny foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina eny ifotony aorian’ny hetsika tahaka izao. Mifanindran-dalana amin’ny fitantanana ny hetra ihany koa ny fangaraharahana ny fitantanam-bola.

Manitra R.

Laisser un commentaire