Ankadikely Ilafy: Nisy ny fanentanana mahakasika ny fifindran’ny areti-maso miseho amin’izao fotoana
Misy ny karazana areti-maso miparitaka amin’izao fotoana izao, voalaza fa mora mifindra ary mety ahazo ny olona rehetra. Nisy ny fanentanana nataon’ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, manoloana izany.
« Manoloana ny fianakin’ny areti-maso mora mifindra amin’ny faritra sasany eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, dia nanao fanentanana ny tomponandraikitra avy amin’ny CSB II Ankadikely amin’ny tokony anarahan’ny rehetra ireo toro-marika momba ny fahasalamana ho tombontsoan’ny be sy ny maro » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Misy ireo fisorohana tokony atao enti-miady amin’ity areti-maso ity. Mila manana fahazarana manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony na mampiasa ny gel désinfectant. Tandrovina ihany koa tsy ho voakitikitika ny faritra manodidina ny maso, tsy mifandray tanana rehefa mifampiarahaba ary atokana ireo fitaovana fampiasa manokana rehefa mandro » hoy hatrany ny fanazavana.
Tena misy fa tsy angano angano ity trangan’areti-maso ity. Azo sitranina soa aman-tsara anefa izany kanefa tsy tokony atao ambanin-javatra ny fisorohana satria areti-mandoza ho an’ny rehetra. Tokony hanantona mpitsabo avy hatrany raha misy ny tranga mampiahiahy.
