ActualitésTatitra

Seychelles : Avy ao Asie ny ankahamaroan’ireo fako plastika mitoby ao amin’ny nosy

Nandefa mpianatra sy mpikaroka tao amin’ny atoll tsy misy mponina Aldabra ny oniversite Oxford. Nitoetra tao an-toerana nandritra ny 3 taona ireo mpikaroka ireo ary nahangona fako an-jatony kilao maro. Nahita tavoahangy, kapa, fonosana plastika sns tamin’ireo fako ireo.

Nofantenan’ireo manam-pahaizana ireo fako ireo ary nanaovan’izy ireo fikarohana lalina momba ny fiaviany. Fantatra tamin’izany fa avy ao Indonésie, Inde ary Sri-Lanka ny ankahamaraon’ireo fako ireo. Nisy ihany koa ireo voamarina fa avy ao Chine sy Thaïlande.

Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana ireo dia tsy ahafahana mahazo io habetsahana fako io raha ny asan’ny onjan-dranomasina fotsiny ihany. Arak’izy ireo dia misy sambo avy amin’ireo firenena ireo manary fakoaoan-dranomasina.

Laisser un commentaire