ActualitésTsidika

Ankadinandriana: Manjaka ny halatr’omby, manao antso avo ireo mponina

Manjaka ny halatr’omby amin’izao fotoana ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Tamin’ity herinandro ity, omby roa indray no lasan’ireo olon-dratsy, araka ny voalaza.

« Tena mihamafy ny halatr’omby ety amin’ny tanàna. Taorian’ny halatr’omby niseho teny Andralaza, ny fiandohan’ny volana teo, dia nisehoany indray teny Ambononoka. Omby roa no very tao anatin’izany » hoy i Lalaina, mponina ao Ankadinandriana.

« Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra fa enjana ny tsy fandriam-pahalemana eto an-tanàna. Noho ny halatr’omby dia mihorohoro, mandry tsy lavo loha ny mponina. Miantso ny mpitandro filaminana mba hiaro sy hitsinjo ny vahoaka » hoy i Odile, mpiompy.

Raha ny vaovao farany, dia efa hita tao amin’ny fokontany Amasomboay ireto omby ireto, saingy efa ny fatiny sisa no hitan’ny fokonolona.

Laisser un commentaire