Ambohimanambola: Ho avy tsy hoe la ireo fiofanana maimaim-poana ho an’ny taona 2023
Hiverina indray ny fanomezana fiofanana maimaim-poana izay ataolotry ny kaominina Ambohimanambola. Misy ny fanoratana anarana mialoha, atao ao amin’ny biraon’ny kaominina, ho an’ireo izay liana amin’izany, arak any voalaza.
“Fiofanana karazany maro no atolotra ny mponina ao anatin’izany ary natao ho an’ny sokajin’olona rehetra tokoa na lahy na vavy na tanora na olon-dehibe. Tanjona ny hampivoarana ny mponina eo amin’ny fananana traik’efa sy fampivoarana ny sehatr’asa” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tena ilaina be ny fiofanana tahaka izao. Ary misaotra ny kaominina amin’ny fikarakarana izany satria hita tokoa fa manampy betsaka ny tanora, indrindra ny fahaizana zavatra hafa ankotra ny fianarana. Azo avadika fitadiavam-bola tsara ny fahaizana hananana aorian’ny fiofanana” hoy I Nambinana, mpiofana teo aloha.
Ao anatin’izany fiofanana atolotry ny kaominina izany moa dia misy ny fiofanana amin’ny fanamboarana tsakitsaky isan-karazany, ny fiofanana peta-kofehy sy machiniste, ny fiofanana mandrafitra biriky, ny mahakasika ny fiompiana, ny taranja frantsay, ny fikirakirana solosain ary ny fanamboarana mofomamy.
Manitra R.
