Viliahazo : Hisy ny hira gasy goavana
Hisy ny hira gasy goavam-be any 27 jona 2022 ao amin’ny kaominina Viliahazo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fankalazana ny fetim-pirenena ity hira gasy ity.
« Ny Tarika Rafetisaminanana ao Andohavary sy ny tarika Ramilison Besigara zanany avy ao Fenoarivo no hifandona amin’izany. Manomboka amin’ny 10 ora izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo. « Efa ela mihitsy no niandrasana ity Hira Gasy ity. Mbola tena manana ny maha zava-dehibe azy tokoa izy ankehitriny indrindra ho anay zokiolona » hoy i Fetra, mponina ao Viliahazo.
Kolontsaina isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara tokoa ny hira gasy. Tsy lefy aza izy hatramin’izao, na dia efa miditra azan y fanatontoloana. Hisy ihany koa ny hetsika ho ataon’ny kaominina Viliahazo mandritra io fetim-pirenena io, toy ny rindran-kira maro samihafa.
Hasina Rasamimanana
