ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Miantso ireo manan-talenta ny kaominina mandritra ny fetim-pirenena

Hisy ny fety karakarain’ny kaominina Ambohimangakely ny 25 sy 26 jona eny amin’ny Kianjan’ny Frera Androtra Ambohimangakely. Miantso ireo te handray anjara amin’ny fety sy ny hetsika rehetra mandritra io fotoana io ny kaominina mba hisoratra anaran mialoha eny amin’ny birao.

« Nisokatra ny 13 jona ny fandraisana ny lisitr’ireo te handray amin’ny hetsika ho atao eto amin’ny kaominina ho fankalazana ny fetim-pirenena. Miantso antsika manan-talenta rehetra izahay. Voafetra ihany anefa ny toerana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Efa misy ihany koa anefa ny fampisehoana ho ataon’ireo mpanakanto mandritra io fotona io. Eo ihany koa ny fanentanana isan-karazany. Tsy adino ny afomanga ny alin’ny 25 Jona » hoy hatrany izy ireo.

Hahafinaritra tokoa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho amin’ity taona ity, raha ny eto Ambohimangakely no jerena. Tia mifety rahateo ny mponina eto Ambohimangakely, toy ny hita nandritra ny hetsika « Global Entrepreneurship Week » tany an-toerana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire