Europe : Manaiky ny vaksiny Moderna ho an’ny levitra fahatelo
Tao aorian’ny Pfizer dia naharay ny fanekena avy amin’ny « agence européenne des médicaments » ihany koa ny vaksiny Moderna izay entina hisorohana ny levitra fahatelon’ny valan’aretina covid-19 ho an’ireo efa ampy taona. Natao ho an’ireo feno 18 taona no miakatra ihany moa izy ity noho izy mampitombo ny hery fiarovan’ireo lehibe izay voafaritra fa mihamarefo raha ny fanambarana natao ny 25 oktobra lasa teo.Ity vaksiny ity izay atao eo amin’ny faha enim-bolana na valo volana ao aorian’ny nahavitana ny vaksiny levitra faharoa hoy hatrany ny « agence européenne des médicaments ».
