Soudan : Nosamborina ny praiministra Abdallah Hamdok
Nanatanteraka fanonganam-panjakana ireo tafika ao Soudan ny alatsinainy teo. Nisehoana fihetsiketsihana teo alohan’ny foiben’ny tafika tao Khartoum tamin’ny 11 ora ary nilaza ny ministry ny fampahalalam-baovao fa tena nampiasa bala ny tafika nandritra io fihetsiketsehana io. Nisambotra mpikambana sivilin’ny filan-kevitry ny fiandrianam-pirenena ihany koa ireo tafika ireo ary nisambotra ny praiministra Abdallah Hamdok rehefa tsy nanaiky ny nanao fanambarana nomba io fanonganam-panjakana io.
