SocialTatitra

Pologne : Nosakana’ireo tantsaha mpitolona ny lalana mankany Ukraine

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ireo tantsaha any amin’ny kantinanta Eoropenina. Ho an’ny tao Pologne, dia nobahanan’ireo tantsaha mpanao fihetsiketsehana ny lalana efa an-jatony isa tany an-toerana, indrindra fa ny sisin-tany mampitohy amin’ny Ukarine, mba hanatsaharana ny fanafarana ireo vokatra ara-pambolena, izay voalaza ho tsy voafehy, avy any an-toerana. Tao anatin’izany, tracteurs am-polony no nirihotra nankao Ryki, izay any amin’ny 100 kilometatra, atsimo atsinanan’i Varsovie, mba hanakana ny lalambe S17 mankany amin’ny tanànan’i Lublin, mankany amin’ny sisin-tanin’i Ukraine hatrany. Ankoatra izany, nitondra saina fotsy sy mena, ary sora-baventy maneho ny fanatsaharana ny fampidiran’entana avy any Ukraine ny fanjakana raha tsy voafehiny izany, sy ny hoe « maty tsikelikely ny sehatry ny fambolena ».

Laisser un commentaire