ActualitésTatitra

Etats-Unis : Naazo alalana hivarotra ilay hena namboarina ny Start-up Upside Foods

Mamokatra hena anaty « laboratoire » amin’ny alalan’ny selam-biby ny Start-up Upside Foods ao Californie. Nahazo alalana tamin’ny FDA (agence en charge de la sécurité alimentaire) hivarotra io hena io ny orinasa ny herinandro lasa teo.

Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny orinasa voalohany nahazo alalana hivarotra hena namboarina izany. Efa tsindrin-daona amin’ny famarotana sy fanadraman’ny amerikanina io hena io ny Upside Foods hoy ny tale jeneraliny, Uma Valeti. Dingana iray lehibe makany amin’ny vanim-potoana famokarana hena vaovao izany raha ny fanamafisany.

Marihana kosa fa tsy maintsy mbola mandalo fanaraha-maso maro io famokarana io, anisan’izany ny fisafoana ataon’ny ministeran’ny fambolena ao an-toerana.

Laisser un commentaire