Seychelles : Tafavoaka ny fitantanan-draharaham-pitsarana ny Air Seychelles
Tafavoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fitantanan-draharaham-pitsarana ny Air Seychelles rehefa niatrika ny fampiharana nohon’ny trosa nanomboka ny volana oktobra 2021. Nilaza ny minisitry ny fitaterana, Antony Derjacques fa efa tafaverina amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ny fitantanana izay hanohy izany indray.
Natolotra ny fitsarana ny drafitra namonjena ny Air Seychelles ary nankatoavina ny 7 Novambra teo hoy io tompon’andraikitra io. Iray andro taorian’izany dia nanao sonia ny fanapahan-kevitra ny filankevi-pitantanan’ny Air Seychelles fa hanatanteraka io drafitra io.
