Fanatanjahantena: Hanolotra fanazarana sy fampiofanana amin’ny sehatry ny baolina kitra ny Fondation Real Madrid
Tonga eto Madagasikara ny Fondation Real Madrid izay hanolotra fampiofananaho an’ireo tanora 8 ka hatramin’ny 17 taona mankafy ny baolina kitra. Fiaraha miasa eo anivon’ny Aksiska sy ny Fondation Real Madrid no nisian’izao hetsika izao. Hahazo tombony amin’izany ireo ankizy sy tanora mpankafy baolina kitra amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manao mba hahafahana mamoaka ny talenta isan-karazany mety mbola matory any anatiny any.
“Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahafahana mampiakatra lentan’ny lalao baolina kitra aty Madagasikara satria hitanay fa betsaka ny ankizy sy ny tanora manana fahaizana saingy mila ampiana tosika kely fotsiny izy ireo. Hizara roan y ankizy satria samy hafa ny fampiofanana hatolotraa zy ireo saingy ny kalitao kosa dia hitovy ihany”, hoy ny tompond’andraikitra avy ao amin’ny Aksiska.
“Kotrana manaraka ny fomba fiasan’ny Akademian’ny Real Madrid sy ny Fondation no hatolotra ireto ankizy sy tanora ireto. Nanafarana mpanazatra voafantina sy matihanina mihitsy izy ireo ary hisitraka mari-pahaizana sy fanamiana ofisialin’ny Clinic sy rano fisotro, goûter ary fitaterana avy amin’ny mpikarakara. Izany rehetra izany izay natao mba hanampiana ireto tanora Malagasy mana-talenta ireto ahita ny lalany sy hamoaka ny fara-fahaizany eo amin’ny taranja”, hoy ny avy ao amin’ny Clinic Madagasikara.
“Sady mpankafy baolina kitra no mankafy Real de Madrid ny tenako. Mety amiko ny fisian’izao hetsika izao satria hahafahana mampitombo fahaizana betsaka hahatrarana ny tanjona satria mba te ho tafiditra ao anatin’ny ekipam-pirenena”, hoy Toky, mpilalao baolina kitra ao amin’ny Tambatra FC avy ao Ambohimanambola.
Efa manomboka ny fisoratana anarana eny anivon’ny Clinic (stade). Ny fampiofanana sy ny fizarana dia hatao eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus. Fotoana iray hamoahana ny talenta ity fotoana ity sady hangalana traikefa ihany koa ka tsy tokony hanisy olana manoloana izany ireo Ray aman-dReny izay manana fahafahana amin’izany. Manoloana izany anefa ireo ankizy sy tanora sasany tsy afaka ny hisitraka izany dia tokony ho tohanana iahny koa.
Miora Raharisolo
