Ambohimangakely : Manofana amin’ny karazana sehatra maro ny BTC
Manokatra ny varavarana amin’ireo sehatra sy asa tanana, asa saina rehetra ny BTC etsy Ambohimangakely. Ao anatin’ny fandraisanana ireo mpiofana sy mpianatra izao izy ireo, dia misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana mahakasika ny « viennoiserie ».
« Misy mpampianatra efa manana ny fahaizany manokana mahakasika ny viennoiserie ao amin’ny ivon-toerana. Tsy latsa-danja amin’ireo sehatra fiofanana hafa misy ato fa anisan’ny manampy sy hahaizana zava-baovao ihany koa ny fampianarana “viennoiserie”, izay hianarana ao anatin’ny fotoana vitsy monja » hoy i Tata, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
« Maro be ny zavatra tokony ho hay raha tanora vonona, mazoto sy mitsinjo ny ho avy. Na resaka fandrahoana sakafo, lakozia, fahaizana teny vahiny, anisan’ny tombony lehibe ny fahaizana izany. Eo ihany koa hoe raha tsy mahalala ny talenta ao aminao dia tokony trandrahana mandrakariva hahafahana manao zavatra miavaka » hoy i Mandresy, mpianatra momba ny sakafo sy ny toerana fandraisam-bahiny.
Mila trandrahana tokoa ny talenta ao anaty. Maro ireo sehatra sy fiofanana misokatra raha te hikaroka izany fahaizana izany. Izay tsy mahay sobika tokoa mahay fatram-bary, mila manararaotra indrindra fa ireo tanora amin’ny fiofanana sy ny fampianarana tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
