ActualitésTatitra

Australie : Trozona 200 teo ho eo isa no hita faty teo amoron’ny tora-pasik’i Tasmanie

Karazana biby mampinono an-dranomasina lehibe (cétacé) manodidina ny 200 isa no hita teo amoron’ny tora-pasik’i Ocean Beach Tasmanie ny alarobia teo. Karazana « dauphins-pilotes » na « globicéphales » ireo biby ireo raha ny tatitra ary 35 tamin’ny biby 230 isa mahery ihany no avotra.

Raha tsiahivina dia efa nisehoana trangana toy izany ihany koa tao amin’io faritra io roa taona lasa izao. Nanazava kosa ny talen’ny asa misahana ny sampan-draharahan’ny bibidia ao amin’ny fanjakana, Brendon Clark fa ny fepetra ara-tontolo iainana ao amin’ny faritrin’ny Ocean Beach no nitarika io fandringanana io. Anisany mahery onja (ressac) mantsy amin’iny morontsiraka andrefana iny.

Laisser un commentaire