Anosy Avaratra : Miara-mientana ny kaominina sy ny fokonolona amin’ny asa fanadiovana
Niara-nirotsaka an-tsehatra amin’ny asa fanadiovana tao anatin’ny kaominina Anosy Avaratra sy mponina, ny aloarobia lasa teo. Entina mikajy ny fanadiovana ahazoana fahasalama fa indrindra ampianarana ny mponina hahay hitandro ny fahadiovana no tanjona tamin’ny fanaovana izany.
« Anisan’ny andraikitra lehibe eto amin’ny kaominina ny mitandro ny fahadiovan’ny tanàna, mba ho antoky ny fahasalamana, ary mba ho tanàna maha-te honina. Mitety fokontany ireo ekipa ao kaominina hanatanteraka izany isanandro mba hanentana ireo mponina hanadio ny tandrify azy mba hiainana anaty tanàna madio sy milamina » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Mahafinaritra tokoa ny ezaka amin’ny fandraisana andraikitra toa izao, saingy mila ny fokonolona mihitsy no ampianarina, volavolaina hanana toe-tsaina tia fahadiovana, tsy ho tia fako miparitaka fa indrindra hahalala fa azo trandrahina ny fako hahazoana vokatra vaovao » hoy i Njaka, mponina ao Anosy Avaratra.
Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny adidy eny anivon’ny fokotany tokony hatao, ary hampandraisana anjara ny olom-pirenena rehetra ny asa fanadiovana eny anivon’ny fokontany. Tsy tokony handrasana ny hafa ny hanadio ny loto mifanandrify amin’ny tena. Azo atao tokoa ny mametraka dina ho an’ireo mpandoto sy tsy mavita adidy mba hampandrosoana ny fokontany.
Manitra Ramanantsoa
