SocialTsidika

Tsy fandriam-pahalemana: Manomboka mihorohoro ireo mponina ao Ambohimanambola 

Ny alin’ny talata 02 aogositra 2022, tamin’ny 01 ora maraina no nisy nikasa hanafika ny tokantrano iray tao amin’ny fokotany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola. Jioahy 4 misarontava no nikasa hanao asa ratsiny tao amin’ny tokantrano iray, raha ny vaovao nomen’ny avy amin’ny chef de poste tao amin’ny kaominina.

« Nopitsohina ny grille an’ny lavarangana. Nopitsohina avy eo ny varavarambe, fa naheno ny tompo-trano ka niezaka nanohana sy niantso vonjeo, teo no nanapoaka basy voalohany ».  Nisy avy avy hatrany ny fiaraha-mientan’ny fiaraha-monina ka nanetsika avy hatrany sy niantso avy hatrany mpitandro filamanana raha vao avy hatrany ny antso vonjeo sy ny poa-basy, hoy ny mpiray tanàna. Nametraka sakana amandrihana ireo jiolahy avy hatrany ny zandary raha vao nare ny antso. Raim-pianakavina iray no naratra mafy nandritra izany, ary tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy.

Manao antso avo amin’ny manam-pahefana rehetra ihany koa ny mponina amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fandriampahalemana mba tsy hahazo vahana ato anatin’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire