ConseilTsidika

Torohevitra : Maro be ny voka-tsoa azo avy amin’ny margose

Maro amintsika no mety mbola tsy mahafantatra ilay margose, karazana legioma. Mitovy sokajy amin’ireny concombre ireny izy saingy somary mivaingambaingana ny hodiny. Maro dia maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fihinana azy. Ary mitondra zava-tsoa avokoa na ny raviny na ny voany.

Ny ravin’ny margose dia anisan’ny manasitra ny aretina toa ny lagaly, ny farasisa, ny eczema. Tsotra ny fampiasana azy, ampangotrahana anaty rano handroana ny ravina margôzy tokony ho 50 grama, rehefa mangotraka izany dia alaina ilay raviny ka avela matimaty, hosorana savony Nosy ka hanasana ireo faritra hitrangan’ny aretina sy ny vatana rehetra, ary ilay rano nampangotrahina no hanakobanana ny vatana. Averina in-efatra isan-kerinandro izany.

Tsara raha in 4 isaky ny herinandro n no hanaovana izany, ary afaka atao rano tambavy fisotro isanandro koa io ka 1 vera isanandro no sotroina mpahasitrana.

Ny fomba fampiasana ilay voany kosa (ilay margôzy vatany), atao ranomboankazo ka sotroina tsy asiana siramamy. Anisan’ny miady amin’ny homamiadn’ny nono, ny avokavoka, ny vavony sy ny aty izy ity. Ary manala ny menaka ratsy ao amin’ny vatana.

Mbola maro ireo aretina voasoroka amin’ny fihinana ity karazana legioma iray ity. Mila fahazotoana kosa anefa ny fihinana azy raha mitady fahasitranana satria somary mangidy ny voany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire