SportTatitra

Royaume-Uni: Mpanamory sangany amin’ny Formule 1 i Lewis Hamilton

Teraka ny 7 janoary 1985 tao Stevenage, Hertfordshire ao Angleterre i Sir Lewis Hamilton. Mpanamory fiara amin’ny taranja Rallye ny tenany ary efa impito tompon-daka eran-tanin’ny Formule 1 ny taona 2008, 2014, 2015, 2017, 2018, 2019 ary 2020.

Manoloana ireo fandresena fitony ireo dia mpanamory manana anaram-boninahitra betsaka indrindra mitovy amin’i Michael Schumacher i Lewis Hamilton. Izy ihany koa no tompon-dakan’ny fananana isa betsaka amin’ny « pole positions », « podiums », « courses terminées dans les points », isa azo tamin’ny fotoam-pilalaovana iray sy ny fotoam-piasana iray ary fitarihana (tours en tête).

Laisser un commentaire