SocialTatitra

Belgique: Lehilahy iray maty voatsindrona tamin’ny fantson-drano teo amin’ny tetezana

Olona dimy no hanaovan’ny fitsarana any an-toerana fanadihadiana ao anatin’ity tranga namoizana lehilahy mpamily fiara vaventy iray tany Namur, Belgique ity. Araka ny voalaza, dia vono olona niniana natao no natao ity mpamily ity, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Avy eny ambony tetezana no nandefasan’ireo olona dimy ity fantson-drano ity ka namaky ny fitaratr’ilay kamiao ka nitsatoka tamin’ny vatan’ilay mpamily avy hatrany, ka maty tsy tra-drano ity farany. Avy any Roumanie ity mpamily ity. Anisan’ny nahita ny zava-nitranga ny olona niaraka taminy teo akaikin’ny familiana. Voalaza ihany koa fa nandray ireny « gaz hilarant » ireny ireo andian-jatovo nahavanona ny loza, izay tsy ampy taona ny roa tamin’izy ireo.

Laisser un commentaire