ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nisy ny lalao baolina kitra nandraisan’ireo ekipa avy amin’ny fokontanin’Ankadikely Ilafy anjara

Nisy ny lalao baolina kitra nandraisan’ireo.ekipa avy amin’ny fokontany, avy amin’ny kaominina rahavavy, anjara tamin’ny faran’ny herinandro iny. Tonga nanontrona sy nanome ny amboara tamin’izany ireo ben’ny tanàna kandida ho solombavambahoaka ao an-toerana.

« Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitaizana ny tanora ny fanatanjahantena ka mila hampiroboroboana. Ho tohizana hatrany izany ezaka izany ho fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

« Anisan’ny ankafizin’ny olona ny baolina kitra. Ary ity taranja dia tsy ho lefy laza raha mbola misy ny fanohanana sy ny fikarakarana ataon’ny tomponandraikitra. Sady mitaiza ny tanora io no mampivoatra azy ka tokony omena lanja sy havoatra hatrany » hoy i Tolotra, mpijery baolina.

Marihina moa fa ny FC Lion Belanitra sy ny IRFC Ilafy no niatrika ity lalao famaranana ity. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 2 no 0 ny FC Belanitra tao anatin’izany.

Laisser un commentaire