SocialTsidika

Fihibohana tanteraka : Mitovy amin’ny an-davan’andro ihany ho an’ireo tantsaha

Vanim-potoana fiakaran’ny vary izao, na « fararano » ho an’ireo tantsaha. Nitombo ny vokatra tamin’ity taona ity, raha ny fahitana ireo vary niakatra noho ny fanovana ny fomba fambolem-bary. Betsaka ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy, hany ka tsy mikely soroka izy ireo mandritra ny andro mampiakatra ny vokatra an-tanimbary. Na dia eo aza ny valan’aretina eto amin’ny firenena, tsy nataon’izy ireo sakana izany fa toy ny mahazatra foana ny fiainany. Somary sarotra fotsiny ny famarotana ny vokatra noho ny fitaterana. Tsy ny Covid-19 no tsy atahorana fa ny fiainana sy ny fambolena no tsy azo ilaozana, noho izy miantoka ny fiainana manontolo. Fihibohana tanteraka teto amin’ny faritra Analamanga ny sabotsy sy alahady raha ny fepetra noraisana kanefa raha ny tena marina ny mponina ao an-drenivohitra no tena miaina izany. Raha miala lavitra ny renivohitra fotsiny kanefa anaty Faritra Analamanga, Mandrarahody Antanetibe Mahazaza, mitovy ny an-davan’andro mahazatra ihany ny faran’ny herinandro. Fotoana ary izao tsy ipetrahana satria miakatra ny vokatra ary manjary simba raha miandry fotoana ela. Na dia tafiditra tao anaty sabotsy fihibohana tanteraka aza ny 1 mey izay fetin’ny asa, tsy manamarika izany ny tantsaha fa mitohy foana ny asa. Ho an’ny tandrenivohitra izany fetin’ny asa izany hoy izy ireo fa ny fiainanay mitohy foana. Fa maninona tokoa ary no tsy dia ahitana trangan’ity aretina ity ny any ambanivohitra ? Toa tsy mahalala izay hopitaly feno any izy ireo fa tony sy milamin-tsaina tanteraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire