Alasora : Nanampy tamin’ny famatsian-drano ny kaominina
Manoloana ny olan’ny tsy fisian’ny rano lavareny tao amin’ny kaominina Alasora, dia nanampy tamin’ny famatsian-drano ny kaominina ao an-toerana, tamin’ny herinandro teo.
« Noho ny tsy fanarahan’ny jirama ny asa famatsian-drano eto amin’ny kaominina dia nanampy tosika tamin’ny famatsian-drano ny kamio lehibe eto amin’ny kaominina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena miasa raha ny kaominina eto Alasora ary mahate hidera satria tsy mamela ny vahoaka ho irery manoloana ireo olana, indrindra amin’ity resaka rano ity. Efa amam-bolana maro io no niseho kanefa teo foana nikaro-bahaolana ny tomponandraikitra » hoy i Tolotra, mponina ao Alasora.
Saika isehoan’ny olan’ny rano ity avokoa ny ankamaroan’ny kaominina eto an-drenivohitra amin’izao fotoana. Olana ara-teknika sy noho ny tsy fahampian’ny rano no mahatonga izany. Manahy mafy araka izany ny mponina ny amin’ny mety ho zava-misy rehefa fotoanan’ny main-tany.
