SocialTatitra

France : Olona telo nisy namono tao amin’ny trano lehibe iray tao Nice

Ny alahady maraina no niseho ity tranga iray ity, izay tao amin’ny toerana mafana amin’ny tsy fandriam-pahalemana tao Nice. Tsy mbola fantatra hatreto ny mahakasika ireo nahavanona ny loza, izay araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana tao an-toerana, dia tohin’ny fifanarahana teo amin’ny resaka fanondrana zava-mahadomelina izany. Vao marainan’ny alahady, lehilahy miisa telo, 36, 23 ary 16 taona no nosakanan’ny andian’olona misaro-tava, tao amin’ny efitrano lehibe an’ity toerana ity. Efa voaomana mialoha izany, raha ny fanazavana hatrany. Teratany tonezianina, algerianina ary albanaise izy telo ireto. Nodarohana ary novonoina, novelesina tamin’ny vodi-basy ireto farany. Olona nipetraka tao amin’ny manodidina no nahita ny zava-nitranga ka niantso ny mpitandro filaminana. Tonga ara-potoana ireto farany, saingy vaky nandositra ny sasany tamin’ireo olon-dratsy rehefa nahatsikaritra ny fahatongavan’ny polisy. Olona telo hafa, 18 ka hatramin’ny 24 taona no  voasambotra.

Laisser un commentaire