Dépêches

Fenoarivo Antsinanana: Fitokanana ny Fonjabe Vaovao tamin’ny 19 aprily

Efa tamin’ny taona 1902 no niorina ny fonja voalohany tao fenoarivo Antsinanana, faritra analanjirofo. Natao hazaka olona voafonja miisa 80 isa raha mahatratra 606 isa ankehitriny. Izay no nahatonga an’izao fanorenana izao fonjabe izao mba hanaraka ny fenitra ary indrindea manaja ny zo maha olona hoan’ireo voafonja. Amin’izao mahazaka hatramin’ny 900 isa. Misy toerana fampiofanana arak’asa azy ireo ho fitsinjovana ny fiverenan’ireo voafonja eo anivon’ny fiaraha monina rehefa avy nanefa ireo saziny, misy koa ny faritra voatokana ho an’ireo vehivavy sy lehilahy ary ireo zaza tsy ampy taona. Tsy adino ny toeram-pitsaboana, fitehirizana fanafody, infirmerie,toeram-pivoahana, bureau administrative ary ny poste de police.

Laisser un commentaire