Ambohimanambola : Ny volana desambra no andrasana ny vokatra voalohany amin’ilay tetikasa fitantanana sy fifehezana ny ranon’orana sy ny rano maloto
Tontosa tamin’ny herinandro teo ny fanadihadiana isan-tokatrano mahakasika ny tetik’asa rafim-pitantanana sy fifehezana ny ranon’orana sy ny rano maloto, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.
« Natomboka ny 15 aprily teo ny fandalinana ara-tsosialy ho fanombohana fandrafetana ny drafi-pitantanana ny ranon’orana sy ny rano maloto. Hita arak’ireo fakan-kevitra natao ireo fahazarana sy tranga misy eny amin’ireo faritra amin’ny fifehezana sy fivarinan’ny rano maloto sy ny ranon’orana » hoy ny tomponandraikity ny kaominina.
« Anisan’ny olana goavana hita nandritra izany ihany koa ny momba ny toeram-pivoahana. Ny valin’ny fanadihadiana isan-tokatrano no hanamafy amin’ny alalan’ny tarehimarika ny fisian’ny olana » hoy hatrany ny fanazavana.
Ny volana desambra no andrasana ny vokatra voalohany amin’ity tetik’asa ity dia ny famoahana ny « schéma d’assainissement directeur » ho an’ny fokontany miisa folo ao an-toerana.
