ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tsy nanadino ireo tra-boina ny Fivaza

Tonga nitondra ny anjara birikiny ny Fikambanan’ny Vadin’ny Zandary (Fivaza) teny amin’ireo tra-boina nampiantranoin’i Mompera Pedro sy ny kaominina Ambohimangakely. Nanolotra sakafo mafana ho fanampiana ireo tra-boina ny Fivaza. « Maha te hidera tokoa izao fihetsika ataon’i Mompera Pedro sy ny Kaominina Ambohimangakely izao. Misaotra ary mankasitraka indrindra » hoy i Herilanto, fianakaviana tra-boina.

« Miezaka hatrany ny Zandarimaria, izay mitsinjo ny Maha-olona, mba mitondra izay voaramby analefahana izany voina izany. Manentana ihany koa ireo tapaka sy namana mba hifampitan-tsoroka amin’izao voina mandalo izao. Voin-kavana mahatratra hoy ny Raiamandreny Malagasy fahiny » hoy ny filohan’ny Fikambanana Fivaza Nasionaly, Ravoavy Hoby. « Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Feno fankasitrahana izao fihetsika ataon’ny Zandarimaria izao izahay. Tsy nanadino ny mpiray tanindrazana ianareo » hoy i Mompera Pedro.

Saika efa notetezin’ny Fivaza avokoa ireo tra-boina teto Avaradrano. Sakafo mafana hatrany no fanampiana omen’izy ireo. Nahitana tra-boina miisa 1045 sy 645 teny Andralanitra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire