Asie : Tacca chantrieri, voninkazo ramanavy
Karazana zava-maniry ao amin’ny fianakavian’ny Taccaceae ao amin’ny sokajy klasika ny Tacca chantrieri na voninkazo ramanavy ary ao amin’ny Dioscoreaceae arakin’ny sokajy « phylogénétique ». Zava-maniry « herbacée vivace » (ahitra maty isan-taona) izy io izay hita ao Thaïlande, Myanmar ao Birmanie ary any amin’ny faritra mifanila amin’i Chine.
Tsy misy hazo ny Tacca chantrieri ary manana ravina lehibe boribory lavalava maintso mamirapiratra mety mahatratra hatramin’ny 60 santimetatra. Ny voninkazon’io zava-maniry io kosa no nahatonga azy natao hoe voninkazo ramanavy. Maka ny endrik’io biby io mantsy izy, ary miloko volomparasy matroka.
