ActualitésTsidika

Kolikoly : Eny anivon’ny fonja no tena hisehoana betsaka sy amin’ny sandany maro samihafa.

Mbola manan-jo hatrany ireo voafonja amin’ny maha olombelona azy ireo. Eny anivon’ny fonja tokoa no ahitana fesohana kolikoly betsaka indrindra ka nanolotra boky torolalana ny CNIDH entina misoroka izay mety tranga mahakasika izany. Tanjon’izany ny hanaovana fanentanana ireo asa maimaimpoana eny anivon’ny toeram-pamonjana ary ao anatin’ny fanajana tanteraka ny zon’ny voafonja izany.

« Manodidina ny 2 tapitrisa ariary ny vola hahafahana mamindra voafonja iray. Ankoatra izay dia hatramin’ny zavatra bitika indrindra dia efa ahenona tranga na kolikoly toy ny hoe voafonja te hifandray an-telefaonina amin’ny fianakaviany. Mila mandoa vola amin’ny mpandraharaha ny fonja izy ireo amin’izany. Mbola maro ary tsy voatanisa ny fisehoan’izany kolikoly izany ao amin’ny fonja fa ilaina fanarenana », hoy ny avy ao amin’ny CNIDH.

« Izany antony rehetra izany no nametrahana ity boky torolalana ity. Natokana ho an’ireo voafonja, ny fianakaviany mba hahafantaran’izy ireo ny zony sy hampirisihina azy ireo hitoroka raha misy trangan-kolikoly. Taridalana ho fanatsarana ho an’ny fandraharahana ny fonja ihany koa anefa sady fitaovana ahafahana miaro ny zo raha ho an’ireo mpiady, sy fitaovana entina miasa ho an’ireo fiarahamonim-pirenena », hoy hatrany ny fanazavana.

« Efa mafy be ny fiainana ao anatin’io tontolo iray io. Ireo tsy meloka no mampalahelo. Ny tena olana dia tsy eny amin’ny fonja no manomboka misy io kolikoly io fa vao eny amin’ny fitsarana fotsiny defa mandeha. Rehefa tonga eny amin’ny fonja moa dia vao mainka mafy. Tsy dia ilaina ny fanambarana isa maro be fa tonga dia mandray andraikitra no tokony hatao. Mbola asa mafy be anefa izany », hoy i Heriniaina, efa nanana namana voafonja tsy meloka ihany koa.

Ny CNIDH moa dia mampahafantatra ny zava-misy, manaitra sy mampaneno lakolosy fa anjaran’ny BIANCO sy ny tompon’andraikitra no mijery akaiky izany rehetra izany. Raha aminao anefa, inona no vahaolana arosonao ho an’ny karazan’olona tsirairay anatin’izany fonja izany hampitovy zo azy ireo ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire