RN7 : Misy volamena ao amin’ny reniranon’i Fatihita, saingy hanimba ny tontolo iainana ny fitrandrahana raha tsy misy ny fandraisana vahaolana
Tao anatin’ny volana maromaro izay dia nisy olona vitsivitsy teny amin’ny manodidina an’i Fatihita nanivana volamena tao amin’ity renirano manamorana ny Lalampirenena faha-7 ity, izay tsy lavitra ny tanànan’Ambositra.
Tao anatin’ny herinandro anefa izany dia nirongatra izay tsy izy ny olona tonga mitrandraka ity volamena ity ao anaty rano ao. « Hiteraka faharavana sy fahasimban’ny tontolo manamorana an’ity renirano sy renirano ity ny fitrandrahana » hoy i Patrick, mpandinika tontolo iainana. « Ny rano efa manomboka ritra noho ny tsy fisian’ny orana, dia tonga indray ireto andian’olona marobe ireto hangadingady lavaka manamorona ny sisin’ny renirano sy ao anaty rano » hoy i Lova, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
« Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana ny renirano indrindra amin’ny famokrana rano, ny fitrandrahana azy ireny anefa no miteraka ny faharitrany koa manao antso avo indrindra amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana izahay eo ihany koa ny Ministeran’ny rano mba handray vahaolana haingana » hoy i Hery, mponina ao fatihita. Tandindomin-doza tokoa ny tontolo iainana manoloana ny fitrandrahana izay mitarika ny fahasimban’ny rano izao ka tokony ho tompon’andraikitra ny rehetra. Marina fa sitrany ahay vola ho an’ireto mpiray tanindrazana ireto izany fa kosa tokony hisy ny vahaolana izay sady tsy hanimba ny fitadiavam-bola ny hafa no tsy hanimba ny tontolo iainana.
Iza tokoa moa no tokony hitrandraka ny harena misy eto ? Isika Malagasy, fa kosa mila miaro ny tanindrazana ihany na izany aza ho tombontsoan’ny besinimaro.
Nicole Rafalimananjara
