juin 2, 2026
Hiatrika lalao amical lehibe ny ekipam-pirenena Malagasy anio, hifandona amin’i Maroc any Rabat. Hanomboka amin’ny 20:00 ora Madagasikara ny lalao Fotoana iray lehibe ho an’ny Barea hanamafisana ny traikefa sy hitsapana ny tanjany manoloana ekipa matanjaka, ho fiomanana amin’ireo fifaninanana ho avy […]
juin 2, 2026
Mitohy manerana ny Nosy ny fikarakarana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-66 nahazoana ny fahaleovantena. Anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna, fanamboarana lalana amin’ny toerana sasany, fanazaran-tenan’ny tafika sy ireo handray anjara, ary koa ny fanatsarana ny bika aman’endriky ny renivohitra sy ny faritra samihafa. […]
mai 26, 2026
Misy ny fahavakisana ny fantson-dranon’ny JIRAMA eo akaikin’ny Delta Hôtel Antanimena ny marainan’ny Zoma 22 May 2026. Vokatr’izany dia tapaka ny làlana avy eo amin’ny Auto-pièce RHS Behoririka mihazo ny Chocolaterie Robert Antanimena. Ho fandrindrana ny fifamoivoizana dia nametraka » déviation » mandalo Landis mivoaka Immeuble Santa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentanina ny rehetra hanaja ny toromarika sy ny lamina apetraky ny mpitandro filaminana,mba hisorohana ny fitohanana sy hanamorana ny fivezivezena. Loharano: CUA […]
mai 26, 2026
Nidina ifotony teny Ambohitrakely sy Andrainarivo ireo tompon’andraikitra hanitsy ireo tsena sy toeram-pisakafoana manarona ny lalana an-tongotra, ary koa ireo fiara mijanona tsy ara-dalàna na “épaves” manelingelina ny fifamoivoizana. Nesorina avy hatrany ireo fitaovan’ny mpivarotra napetraka anaty arabe, indrindra manodidina ny Rond-point Ambohitrakely, noho izy ireo mety hampidi-doza ho an’ny mpampiasa lalana. Nomena fe-potoana 48 ora ihany koa ireo tompona fiara simba na mijanona amoron-dalana mba hanesorana izany. Raha tsy manaraka ny toromarika dia handray fepetra ny CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampilamina ny fifamoivoizana sy hanomezana toerana malalaka sy azo antoka ho an’ny mpandeha an-tongotra. CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo. […]
mai 15, 2026
Sambany no hisy vehivavy Malagasy handray anjara amin’ny dingana famaranana amin’ny PMGO Africa Finals eo amin’ny taranja PUBG Mobile. I Onintsoa ‘OFFSET’ Fitiavana, mpilalao ao amin’ny ekipa Four Strengths, no hitondra izany faneva izany. […]