ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mpamily roa, mpiasan’ny orinasa Jirama, no arahin’ny fitsarana maso

Mpamily roa, mpiasan’ny orinasa, Jirama izay mpitatitra solika, no arahin’ny fitsarana maso amin’izao fotoana izao noho ny halatra gazoaly 64 000 litatra tao amin’ny toby famokarana herinaratra Ambohimanambola. Olona maro no efa nalaina am-bavany makasika ity raharaha ity.

« Efa olona maro no nalaina am-bavany taorian’ny fitoriana napetraka. Isany tamin’izany ireto mpamily ireto. Manana porofo mazava hiampangana azy izahay » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Jirama. « Efa ao anatin’ny fanadihadihana lalina izahay amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ny fitsirihana sy ny fanadiovana anatiny sy ivelany ao amin’ny Jirama izao fitoriana izao » hoy ny avy ao amin’ny fitsarana. Tsy handefitra na amin’iza na amin’iza amin’izao halatra bevava izao ny avy ao amin’ny orinasa Jirama. Miteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa mantsy izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire