Anio no andro voalohany amin’ny fanaovam-baksiny ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany
Mitohy hatrany ny fihomanana ataon’ireo mpisehatra mahakasika ny fizahan-tany eto Madagasikara amin’ny mety hisokafan’ny sisi-tany izay fantatra fa tsy ho ela intsony. Nandritra izany fiofanana izany indrindra no nanambarana fa hisy ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny covid-19 ireo mpisehatra rehetra izay ho tanterahina manomboka anio, alarobia 15 septambra 2021. Manodidina ny 1 600 isa ireo mpisehatra hanatanterahana ny tsindrona faharaoa amin’ny vaksiny Covishield. Misy ihany koa ny vaksiny Johnson&Johnson ho an’ireo izay mbola tsy natao vaksiny mihitsy.
Raha tsihahivina dia anisany niteraka resabe, indrindra ny teo amin’ny antoko mpanohitra ny firosoan’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanaovam-baksiny. Noresahina tamin’izany fa mety hiteraka voka-dratsy amin’ny fahasalama izany, volana maro taorian’izany nefa no nitakian’ireo mpanohitra ny fitondra ny hanafarana vaksiny ho an’i Madagasikara. Nifamahofaho noho izany ny resaka vaksiny teto Madagasikara, ary anisan’ny niteraka ady hevitra teo amin’ny mpitsabo sy ny vahoaka.
Raha ny fanazavana nataon’ireo manam-pahaizana amin’ny lafiny fahasalamana no nahafatarana fa mampitombo ny hery fiarovana amin’ny aretina ny vaksiny, izany hoe misy hery fiarovana vaovao miforona ao anatin’ny vatan’ny olona iray aorian’ny fanaovana vaksiny azy. « Mankasitraka ny fandraisana andraikitry ny eo anivon’ny konfederasionan’ny fizahan-tany eto Madagasikara (CTM) amin’izao fanaovam-baksiny ny mpiasa izao. Manentana antsika rehetra izay miasa manoloana ny sehatry ny fizahan-tany hanatanteraka ny vaksiny ho fiarovana amin’ny valan’aretina Covid 19 » hoy i Jenny, tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa iray.
« Tsy midika fa tsy hovoan’ny aretina covid-19 intsony ny olona iray raha toa ka vita vaksiny, manankery hatrany ary tokony harahina an-tsakany sy an-davany hatrany ireo fepetra sakana rehetra na dia eo aza ny fahavitan’ny vaksiny » hoy i Lalao, renim-pianakaviana vao vita vaksiny. « Andalam-panatanterahina ireo fepetra rehetra takian’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny hahafahana mandray mpizaha-tany indray ny fikambanan’ny fizahan-tany eto Madagasikara amin’izao fotoana, azo ambara fa ny 90% amin’izany no efa voarindra tanteraka. Efa voapetrapetraka avokoa ny lamina rehetra manodidina izany » hoy i Jacky, tompon’andraikitra eo anivon’ny konfederasionan’ny fizahan-tany eto Madagasikara.
« Efa fotoana izao hamahana ny sisi-tanin’i Madagasikara, tsy azo hodian-tsy hita ireo ezaka atao’ny mpisehatra amin’izany ankehitriny. Efa fotoana izao hanarenana ny toe-karena sy hamerenana indray ireo mpisehatra handray ny asany » hoy i Manoa, mpandalina ny toe-karena. Anisan’ireo lasibatra noho ny fidiran’ny valan’aretina covid-19 teto Madagasikara ny sehatry ny fizahan-tany, indrindra ny fizahan-tany ivelany. Nikorontana tanteraka ity sehatra ity nandritra izay roa taona nisian’ny Covid 19 izay, tao ireo orin’asa izay nikatona mihitsy noho ny fikatsohan’ny asa manoloana izany. Nitohy hatrany ny sidina famerenana an-tanindrazana nadritra ny fotoanana nisian’ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara, saingy nijanona kosa ny sidina ho an’ireo mpizaha-tany.
Nisokatra mandrakariva ny sisin-tany noho izany fa ny fomba nanambarana azy no nafenina tamin’ny vahoaka Malagasy, tsy efa fotoana ve izao hanatsaharana ny fiatsaram-belatsihy sy ny fanavakavahana amin’ny samy Malagasy ?
Haingotiana Andriamihaja
