ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy ny fandraisana mpianatra aminlny fampianarana maimaim-poana

Misy ny fampianarana maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny taranja Anglisy no hianarana ao anatin’izany. Mbola mitohy ny fandraisana ireo mpianatra na olon-tsotra liana amin’ny fampianarana, araka ny voalaza.

« Efa nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fampianarana ny taranja anglisy maimaim-poana nokarakarain’ny kaominina. Misy ihany koa ny cours spécial samedi ao anatin’izany. Mbola mandray ireo mpianatra vonona amin’ny andavan’andro ny fampianarana. Ho an’ny sabotsy kosa dia efa feno ny toerana » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

« Tena ilaina ny fampianarana tahaka izao. Manampy ary mampitombo fahalalana. Tena afa-po amin’ireo fampianarana atolotry ny kaominina satria efa maro ireo taranja natolotr’izy ireo » hoy i Miora, mponina ao Ambohimangakely.

Eny amin’ny EPP Ambohimitsara,  Ambohimangakely moa no hianarana mandritra izany ary ahazoana taratasy fanamarinana (certificat)  aorian’ny fampianarana.

Laisser un commentaire