PolitiqueTatitra

Israël : Hanolotra fampitsaharana ny ady ao anatin’ny enina herinandro ho tambin’ireo takalon’aina

Mandroso hatrany ny fifampiraharahana mahakasika ny ady eo amin’ny Hamas sy Israël. Omaly alatsinainy, tonga tao Doha ny lehiben’ny Mossad, David Barnea ; izy izay efa nandrasana hatramin’ny alahady teo. Izy no hanolotra fampitsaharana ny ady any an-toerana, ao anatin’ny enina herinandro, ho takalon’izany anefa, dia mitaky ny famotsorana ireo olona 40 natao takalon’aina ny tenany, izay misy zaza amam-behivavy, olona marary ary zokiolona, araka ny nambaran’ireo manam-pahefana israelianina. Mety aharitra roa herinandro eo izany fihaonana izany. Ireo firenena mpanelanelana, izay misy an’i Qatar, Etazonia ary Ejipta dia mbola tsy nahavita io fifampiraharahana io hatreto, izay nitaky ny hanatsaharana ny ady sy ny famotsorana ireo takalon’aina nandritra ity ady ao Gaza ity.

Laisser un commentaire