ActualitésTatitra

La Réunion : Nitsahatra tamin’ny fomba ofisialy ny fipoahan’ny Piton de la Fournaise

Volkano mbola mihetsika ao amin’ny nosy La Réunion mahatratra hatramin’ny 2 632 metatra haavo ny Piton de la Fournaise. Nanomboka ny 19 septambra nanodidina ny 7 ora 48 minitra teo tao amin’ny nosy izy no nifoha na nitsahatra tamin’ny fomba ofisialy ny 5 oktobra tamin’ny 10 ora 10 minitra.

Tampoka ny fitsaharan’ny fipoahan’ny volkano raha ny tatitrin’ny Observatoire volcanologique ny Piton de la Fournaise. Tsy ahitana ranoka volkano intsony ity farany saingy mbola mihomana amin’izay mety ho fiovana ireo tompon’andraikitra. Mbola tsy namaritra ihany koa izy ireo raha fahatapahan’ny fipoahana (pause de l’éruption) na fitsaharana maharitra io tranga io.

Laisser un commentaire