Fanomanana ny JIOI : Nalefa niofana any Chine ireo atleta Malagasy
Ho fanomanana ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indianina iay hatao eto Madagasikara dia nalefa hiofana any Chine ireo Atleta Malagasy miisa 45 izay samy manana ny taranja manavanana azy avokoa izy ireo. Mpanazatra miisa 4 tompon’andraikitra hafa 2 no miaraka amin’izy ireo amin’izany.
« Haharitra efa-bolana ity fampivondronana sy fanofanana ireto mpilalao Malagasy ireto ary ny atleta miisa 29 no efa lasa izay mizara toy izao, miisa 29 ireo mpihazakazaka raha miisa 14 kosa ireo mpibata fonjam-by », hoy avy ao amin’ny Delegasiona izay mikarakara izao hetsika goavana izao.
« Afaka miofana mandritra ny efa-bolana amin’ny tany sinoa izy ireo noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ka ireo manam-pahaizana Sinoa ihany koa no hampiofana mandritra izany fotoana izany. Novatsiana fampitaoavana ihany koa ireo atleta ireo talohan’ny niaingany teto an-toerana ary ny Goverenemanta Sinoa no hiantoka ny fampiantranoana azy ireo rehefa any an-toerana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.
Etsy ankilany dia hiatrika ny fampivondronana ihany koa ireo atleta eto an-toerana vantany vao mivoaka ny teti-bola ampiasaina amin’izany. Samy hiaro ny voninahi-pirenena avokoa izy ireo ka tsara tohanana amin’ny fomba rehetra. Tsy hitsanga-menatra i Madagasikara izay mampianatrano ny JIOI andiany faha11 amin’izay fotoana izay.
Miora Raharisolo
