ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Ankizy miisa 350 nisitraka ny « cantine scolaire »

Ankizy miisa 350 no nampiasakafoanana nandritra ny fizarana tao amin’ny « cantine scolaire » izay nokarakarain’ny kaominina Ambohimangakely sy ny « association Soa », fikambanana niara-niasa tamin’ny fanatontosana ny hetsika, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny tao amin’ny EPP Ambohimangakely no nisantarana izany, raha ny voalaza.

« Hetsika manohana ary tena ilain’ny mpianatra ety ifotony ny tahaka izao. Anisan’ny olana sedrain’ny mpianatra, indrindra hiaraha-mahalala ny fahasarotan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranan’ny ray amandreny, maro ny ankizy no tsy misakafo ara-dalàna intsony amin’ny andavan’andro » hoy i Sahondra, mpampianatra.

« Isaorana ny tomponandraikitra ny hetsika tahaka izao ary angatahana moa ny hitohizan’ny hetsika ary mba hanohana hatrany ny sekolim-panjakana, hijery ny fiainan’ireo ankizy, mba hatao maharitra ny cantine tahaka izao. Anisan’ny manala ny fahasahiran’ny ray amandreny izao no mampazoto ny mpianatra » hoy i Fidèle, mponina ao Ambohimangakely.

Hafaliana ho an’ny ankizy ny misakafo ary zo fototra tokony omena azy ireo tokoa izany. Raha jerena anefa ny zava-misy amin’izao, mihatsizarizary ny fisakafoanan’ny ankizy noho ny fahasahiranana. Mila atao ezaka ary tokony hiaraha-misalahy araka izany ny fanohanana ireo sekoly ahafahan’izy mampisitraka feno ny zon’ny ankizy. Mbola hitohy amin’ny sekoly hafa rehetra moa izao hetsika izao, raha ny voalaza.

Manitra R.

Laisser un commentaire