États-Unis : Nifanaraka momba ny « gazoduc Nord Stream 2 » i Washington sy Berlin
Nanamabara ny tao États-Unis ny alarobia teo fa nanao fifanarahana tamin’ny governemanta Allemand ho fampitsaharana ny fifandirana mahakasika ny « gazoduc Nord Stream 2″ izay mampifandray an’i Russie sy Allemagne. Nisy fepetra noraisin’i Washington sy Berlin mahakasika an’i Moscou ka efa mipetraka ankehitriny ny sazy miandry azy raha toa ka minia ny hampiasa ny angovo ho amin’ny fitaovam-piadiana izy. »Raha manandrana mampiasa ny angovo ho amin’ny fitaovam-piadiana na hanaova herisetra manoloana an’i Ukraine i Russia dia manome toky ny Allemagne fa handray fepetra eo amin’ny sehatra nasionaly sy eo amin’ny sehatra européen. ary indrindra ny fandraràna ny Russe tsy hifampiraharaha amin’ny Europe intsony amin’ny resaka angovo » hoy ny diplomaty Américain Victoria Nuland. Tsarain’ireo mpanohitra an’i Joe Biden ho fanomezana ho an’ny filoha Vladimir Poutine kosa nefa izany.
